Feno 150 taona tamin'ny alahady 2 febroary teo ny nanambaràna an'i Roma ho renivohitr'Italie ary nosokafana ofisialy omaly alatsinainy 3 febroary ny lanonana samihafa ho fanamarihana izany.

Nisy ny hafatra avy amin'i Papa François, mifandraika amin'izany, novakian'ny Kardinaly Pietro Parolin, natrehan'ny filohan'ny repoblika italiana Sergio Mattarella. Nivoitra tamin'io hafatra io ny nilazan'i Papa fa toeram-piantsonana ahitana famonjena ho an'ireo oloan sahirana sy ny mpifindramonina ary ny mpitsoamponenana i Roma. Tsy natao ho an'ny faharatsiana ity renivohitra italiana ity, hoy Papa tamin'nny hafany, fa loharanon'ny mahaolona. Notsiahiviny ireo taona maro nisian'ny fanjakazakan'ny NAZI sy ny nanatanterahana ny Kaonsily Vatikana faharoa ka namirapiratan'i Roma ho toa ny toerana niraisan'izao tontolo izao tamin'nny fifanakalozan-kevitra ekiomenika sy ho an'ny fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...