Ny anaran-toerana dia misy niaviany daholo. Saika ny toerana eto Madagasikara manomboka any avaratra hatrany atsimo dia misy tantarany manokana avokoa. Any avaratra any misy toerana atao hoe "ANTANAVO" : nisy lahy antitra iray tonga nivahiny tao nandalo, nangetaheta ka nangataka rano anefa tsy nisy nanome afatsy olona, mihataka kely ilay tanàna ; nanozona ilay toerana sy ny olona nonina teo ilay lahy antitra, nihatra ny ozona ka lasa voay sy difotry ny rano ny toerana ; faritra andrefana "MADIROVALO" izay tantaran'i Adamalandy ; avaratra-atsinanana dia ao Ambatondrazaka no misy an'ANDREBABE, toerana tazana lavitra fa rehefa hatonina dia tsy hita...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...