Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Misy dikany sy lanjany ny fanadinana hatao eo anivon'ny sekoly katôlika satria ny fanabeazana eo anivon'ny Eglizy katôlika no mari-drefy mpandrefesana (Baromètre) ho an'i Afrika, hoy ny eo anivon'ny Firenena Mikambana.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina. Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao, Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.

Adidy ny fitiavana ny Tanindrazana, ary zavatra voajanahary izy io, porofon'izany dia nitia ny Tanindrazany i Jesoa, nitomany izy nilaza hoe : "Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho ao aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao toy ny hanangonan'ny reny akoho ny zanany, eo ambany helany fa tsy nety nihaino ianao. Adidy ny fihainoana ny tenin'ireo ray aman-dreny izay manamafy ny rariny sy ny hitsiny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...