Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindra-fo ny aiko, Hazavao aho anio, ambeno ary tahio ary zakao, Amen ;  Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...