Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny zavatra rehetra nataon'i Masina Maria dia tsy nanova mihitsy ny momba azy sy ny fahatanterahan'ny famonjena satria olombelona foana izy, na renin'Andriamanitra aza, olona miaina ny finoana. Mbola misy hiraka ho an'i Masina Maria taorian'ny nahafatesan'i Jesoa, miaraka mivavaka amin'ny mpino izay miandry ny fidinan'ny Fanahy Masina ary miray fo amin'izy ireo ; Masina Maria no santa-bokatra any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco