Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...