Higadona tsy ho ela ny vaninandro lehibe hanamarika ny tantaran’ny Fikambanan’ny masera Zanakavavin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina (FMA). Fotoan-dehibe handinihina ny lasa sy handraisana hainga vao izao fankalazana ny tsingerin-taona faha-150 niorenan’ny fikambanana amin’ny 2022 izao (05 aogositra 1872-05 aogositra 2022).
Tontosa tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux Ivato ny Kongresy faha efatry ny Salezianina Koperatera eto Madagasikara sy ao amin'ny Nosy Maorisy, ny 29 oktobra hatramin'ny 03 novambra 2019 lasa teo.
Mandritra ny vola jona isika dia manaja manokana ny Fo Masin'i Jesoa. Ilay Fon'i Jesoa, voatrobaky ny lefona tamin'ny zoma masina ; Fo Masina misokatra, mivaivaim-pitiavana, mampitobaka amintsika amin'ny alalan'ny rà sy ny rano, ireo fahasoavana manadio.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco