I Eva renin'ny velona rehetra dia tandindon'i Masina Maria renin'ny kristiana rehetra. Tsy natao hiara-dalana ny vehivavy sy ny fanahy ratsy, efa fantatra hatrany am-piandohana fa ny vehivavy sy ny taranany no handresy. I Masina Maria sy ny taranany no fampanantenana nambaran'Andriamanitra, an'ireo ray aman-drenintsika lavo tamin'ny fahoatana, fa hanorotoro ny lohan'ny bibilava... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Alahady faha-19 mandavantaona — D — manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny farandro, ny hanampy antsika hiomana sy hiatrika io fotoan-dehibe io, amin-kafaliana sy fiadanam-po no antony nahatongavan'i Jesoa. Ny fanalahidin'izany hafaliana hihaonana amin'i Jesoa, amin'ny fiverenany fanindroany ety an-tany izany dia ny fahavonona mandrakariva handray azy sy haharetantsika hiasa ho azy satria sambatra ny mpanompo tratry ny tompony miambina fa ny tompo hampandroso azy, amin'ny alalan'ny fahatokisana sy fitiavana azy...
Ny fanoharana ara-tipôlôjika dia olona na zavatra iray hita ao amin'ny Testamenta Taloha manambara olona na zavatra iray ao amin'ny Testamentra Vaovao, manana toeratra hitovizana. Ohatra ilay sambo fiara an'i Nôe, io dia efa mitovy amin'ilay tanàna masina midina avy any an-danitra, izay hiaro ny olona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana dia ny Fiangonana izany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo. Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco