Tanora sy olon-dehibe : 20 hatramin'ny 50 taona, olona efa nandalo ny fialan-tsakana, ary amin'ny dingan'ny fanomanana ny fahanterana. Ny fikoloina ny aina dia ilàna fanomanana hatrany, izay tsy mifantoka amin'ny filan'ny nofo fotsiny. Ny sakafo dia isan'ny fototra hikoloina ny aina, noho izany dia misy fotoanany ny fisakafoana, mila fialan-tsasatra ny vavony ; in-telo isan'andro no tsara hisakafoana ka ny maraina no tena atao feno sy tsara... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nolavin'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy tamin'ny raharaha Boeing 777... ♦ Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika sy hitadiavana famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, ny fandraisana anjara amin'ilay fihaonana an-tampony fahatelo eo amin'i Russie sy Afrika, manomboka androany ary aharitra roa andro any Moscou... ♦ I Madagasikara no mandray ny andiany faha-20 amin'ny fiadiana izay ho tompon-dakan'ny Ranomasimbe Indiana ho an'ireo atleta manana fahasembanana (CCHOI 20e édition)...
• Raharaha Boeing 777, napetraka hodinihin'ny Fitsarana ny fangatahan'ny Fampanoavana momba ny hanokafana famotorana fanampiny momba ity raharaha ity. Nolavin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy… • Mangataka ny hijeren'ny fitondram-panjakana sy ireo Solombavam-bahoaka ny olan'izy ireo, ny tantsaha mpamboly “orge” ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrikan'Antsirabe Faharoa… • Nanomboka androany ny Herinandro ho an'ny Havatsa UPEM. Nisongadina tamin'ny fanomezana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Asa Soratra ho an'ireo mpikambana…
♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra 10 taona an-tranomaizina noho ny fanaparam-pahefana ny solombavambahoaka Naivo Raholidina, araka ny didy nivoaka ny maraina teo... ♦ Mbola tsy hiala amin'ireo orinasa tsy miankina mivarotra herinaratra aminy aloha ny JIRAMA, hoy ny Tale Jeneraly. Nambarany fa mbola handaniana vola betsaka indrindra eo anivon'ny orinasa ny famokarana hatramin'izao... ♦ Tombanana hahazo vahana tanteraka ny volon'andro fahavaratra, saika manerana ny Nosy amin'ity herinandro ity. Miantso ny rehetra handray fepetra ny météo, manoloana ny mety hisian'ny rotsak'orana mifanesy...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco