12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.

Miseho matetika tamin'ny fiainan'i Jesoa ny vavaka ho an'ireo sakaizany ; tena Mpampianatra sy sakaiza i Jesoa ka vonona miandry am-paharetana ny fibebahan'ny mpianany. Manambara amin'ny fiteny manaitra ny saina ny Taratasy ho an'ny Hebrio ny amin'ny hoe : ahoana ny vavak'i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena ." ... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...