06 febroary — Raha ny tena marina dia ireo martiry tao Japon no tsaroana amin'ity andro ity fa anisan'ny anarana misongadina indrindra amin'izany i Paul Miki. Pretra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy, nohenjehina ary novonoina teo amin'ny hazofijaliana. Ny 06 febroary 1597 izy no maty tany Japon.
Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.
Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco