20 desambra — Miaramila niaina tany amn'ny taonjato fahatelo ity ankalazaina androany ity. Araka ny fitantaran'i Masindahy Denys d'Alexandrie dia niaro kristianina iray nomelohina ho faty i Masindahy Théophile, ary ny fijoroany amin'ny maha kristianina azy no nanavotra io lehilahy io.
19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.
18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.
16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647 izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco