♦ Nanao antso mba hanomezan-danja ny fokonolona ny sehatra famerenan-kasina ny fokonolona ivondronan’ireo kristiana sy olobe, firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa, hisy ny hetsika hotanterahin’izy ireo manoloana izany… ♦ Notolorana fanafody ho fanamafisana ny fisorohana ny valan’aretina MPox ny Fonjan’i Farafangàna… ♦ Misy ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Profesora Panja Ramanoelina, filoha teo aloha teo an’ivon’ny oniversite an’Antananarivo., hiresahany manokana momba ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra ankehitriny...
♦ Niverina indray ny fametraham-pialana teny amin’ny CENI Alarobia, 6 taona aty aoriana. Handrasana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny birao maharitry ny CENI… ♦ Handrasana anio maraina ny fanehoan-kevitra voalohany hentin-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, taorian’ny didim-pitsaràna izay nanafoanana ny vato azony sy mandidy ny hamerenana ny fifidianana ao Antananarivo-renivohitra… ♦ Milaza ho leo ny fahataran’ny karama eo ihany koa ny fandoavana ny vola CNaPs sy OSTIE ireo mpiasan’ny SMA ka mitaky ny handravana ny orinasa… ♦ Sarotra ny hisian’ny fitoniana amin’ny ady any Moyen-Orient, nisongadina tamin’ny hafatra voalohany nataon’ny mpitari-dalàna faratampony any Iran ny fanidiana ny elidrano afahana mamoaka solika...
♦ Azo raisina ary voamarina ny fahabangan-toerana ao amin’ny birao maharitry ny CENI, taorian’ny fametraham-pialan’ireo mpikambana miisa 8, hoy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana… ♦ Mijanona ho sora-bola fotsiny aloha ny fampanantenana nataon’ireo firenena vahiny hatramin’izao, fa tsy mbola naharay ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo ny BNGRC, birao nasiônaly misahana ny loza voajanahary, taorian’ny fiavin’ny rivodoza Gezani… ♦ Mitaky ny handravàna ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ireo mpiasa, niroso tamin’ny fitokonana mandritry ny fotoana tsy voafetra izy ireo...
♦ Nametra-pialàna ireo mpikamban'ny birao maharitry ny CENI miisa valo. Efa tafapetraka teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana eny Ambohidahy ny 5 marsa teo ny taratasy fampahafantarana momba izany... ♦ Tsy tokony hanana zo handiso ny fitantanana ny raharaham-pirenena intsony ny mpitondra amin'izao sy ny ho avy eo hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Maro ny zavatra simba noho ny fanaovana ampihimamba ny Fanjakàna hoy ny TIIMG... ♦ Nofaranana androany tamin'ny alalan'ny fitsidihana ny toeram-pambolem-bary tao Manakasina, Ambohimanga Rova sy tao Mahitsy ny fahaonambe faha-10 ny CARD...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco