♦ Notanterahina omaly teo amin'ny kianjan'ny Kianjan'ny Lycée technique Marie Auxiliatrice, Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice (FMA) teto Madagasikara... ♦ Hanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, ny dahalo ambony latabatra, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny vahaolana amin'ny famatsiana jiro sy rano ary ny vidin-tsolika hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Miverina indray ny olan'ny famoahana permis biométrique, mangataka amin'ny fitondrana mba hamerenana amin'ny hendriny baoritra mavokely ny sendikan'ny auto-école...

♦ Nambaran'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël fa noho ny fisian'ny hasoparana ataon'ny olombelona no mahatonga ny herinaratra tsy ho ampy eto Madagasikara. Manao ezaka tsy mitsahatra ny Fanjakàna sy ny JIRAMA... ♦ Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivoho vaovaon'i Frantsa hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Jean Marc Grosgurin... ♦ Anton'ny fahamaroan'ny fanjifàna sy teknika no mahatonga ny internet ho miisatra sy ratsy kalitao hoy ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, efa nisy ny dingana tamin'ny fampidinana ny sarany...

♦ Hamaha olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina ny fahavitan'ny tetik'asa Volobe-Amont. Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba azy io, izay hamokatra herinaratra 120 Mw isan'andro... ♦ Nahazo fitaovana ahafahana mampihatra ny digitalisation ao aminy ny Antenimieram-pirenena. Tablettes 169 isa miampy solosaina 20 isa no natolotry ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny haitao arakajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra... ♦ Manao antso avo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo tanora tafiditra ho mpiasam-panjakàna ao amin'ny Ministeran'ny fampianarana teknika... 

♦ Vita sonia, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny tetik'asa "Volobe Amont"... ♦ Mikatsaka fahaleovantena amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo ben'ny tanàna mivondrona ao amin'ny FBF... ♦ Nivaha amin'ny ampahany ny olan'ireo tanora efa noraisina ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika... ♦ Niteny an'ny vahoaka afrikanina tatsimo ary naneho alahelo manoloana ny firongatry ny famonoana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy any an-toerana, ny filoha Cyril Ramaphosa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...