Feno 150 taona tamin'ny alahady 2 febroary teo ny nanambaràna an'i Roma ho renivohitr'Italie ary nosokafana ofisialy omaly alatsinainy 3 febroary ny lanonana samihafa ho fanamarihana izany.
Mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana an'i Chine amin'ny fiatrehana ny valanaretina entin'ny Coronavirus ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina.
Nahazo fanasana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana indoneziana, hamangy an’Indonésie amin’ity taona ity i Papa François.
Nanatanteraka hetsika ho famalifaliana ny ankizy tsaboina ao amin'ny hôpitamin'ny ankizy "Bambino Gesù", ny zoma 17 janoary, ny "dicastère" misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo sy io hôpitaly iandraiketan'ny Fiketrahana Masina io.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco