♦ "Sekoly katôlika mijoro, miaina ny Evanjely sy manabe ny olona manontolo ho antoky ny ho avy" no teny faneva entin'ny sekoly katôlika mamakivaky ny taom-pianarana vaovao 2026-2027... ♦ Tsy tokony hiandry esorina fa hatsapa tena hametra-pialana ireo tompon'andraikim-panjakàna rehetra voasaringotra amin'ny resaka kolikoly hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Miisa 27,6 tapitrisa ireo olona manao asa antery vokatry ny famarinan'olona manerantany, manao ady sisika ny handraisan'ny mpampiasa an-tànana ny saran'ny fandraisana mpiasa, hisorohana ny fanararaotana noho izany ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa...

♦ Nampiaka-peo manoloana ireo ambarany ho tandrevaka misy amin'ny fanaraha-maso ny sisin-tany ka nanome baiko ny hanolòna ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miankina amin'ny teti-bolam-panjakàna 2027 ny fanatanterahana ny fifidianana rehetra amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ny fanavaozana ny rafi-piaraha-monina sy ny rafi-pifidianana no mila dinihina mialoha ny hirosoana amin'ny dingana samihafa eto amin'ny Firenena hoy ny DFP...

• Mitaky ny hanalana ireo tompon'andraikitra tsy mahomby amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity... • Nanome baiko ny hanoloana ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny alahelony izy androany, fa lasa toerana ivoahan'ny harem-pirenena an-tsokosoko ny seranana eny Ivato... • Efatra andro aty aoriana, tsy misy mangirana ny tohin'ny fanadihadiana momba ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ny tompon'ilay fiara Renault Express...

♦ Misy mpanakorontana manakana ny fanavaozana eto amin'ny Firenena izao hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nandritry ny laha-teny fanokafana ny fivorian'ity andrim-panjakàna ity ny antoandro teo... ♦ Fahendrena ny mametra-pialàna ho an'ireo voakasiky ny famoahana voafonja Sinoa 11 isa, hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa manaporofo ny fisian'ny kolikoly avo lenta eto amin'ny Firenena ireny tranga ireny... ♦ Olona 256 no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Madagasikara nanomboka ny volana janoary no mankaty. Hatsangana ny "Task Force" ...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...