• Hivory ara-potoana manomboka anio, ireo Solombavam-bahoaka eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Volavolan-dalana 7 farafahakeliny no handalo fankatoavana amin'izy ireo mandritra izany... • Hanomboka anio ny dingana firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM. Hisy ny fotoam-bavaka sy ny fampahafantarana ireo mpandrindra nasionaly ny amin'ny fanatanterahana izany... • Nidina ny taham-pahafahana Bakalorea manerana ny nosy tamin'ity taona ity. Tsy nisy afa-tsy 48% izany, raha araka ny vokatra ankapobeny nivoaka omaly...
• Miroso amin'ny fanaovana dinidinika miaraka amin'ireo vahoaka eny ambany tanana, momba ny maha zava-dehibe ny firosoana amin'ny fanovana ny Lalam-panorenana ny IFR na ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Hitondra am-bavaka amin'ny dingana mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, rahampitso tolakandro. Fotoam-bavaka hatao eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka... • Dinihina mandritra ny roa andro amin'ny alalan'ny atrikasa eny amin'ny Carlton Anosy, ny marimaritra iraisana hametrahana ny modelim-pitantanana mifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena na isam-paritra momba ny tahirin-tsakafo eto amintsika...
• Miteraka fanehoan-kevitra samihafa, tato ho ato, ny fivoizana ny tokony hametrahana rafitra federaly eto Madagasikara... • Nahazo tohana ara-tsakafo sy ara-pitaovana avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firainsankina, ireo sokajin'olona marefo any amin'ny Farit'Itasy... • Nisehoana asan-dahalo nahatsiravina, namoizana ain'olona telo, tany amin'ny tananan'Ambatorahona, Fokontany Anivosaha, Kaominina Mangarano, Faritra Vakinankaratra, ny sabotsy alina teo...
• Fararanon-danonana ny teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo ny faran'ny herinandro teo. Notanterahina ny 21 sy 22 aogositra 2026 teo ny Andron'ny Diosezy, izay nankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo... • Nivoaka omaly ny valim-panadinana Bakalorea ho an'Antananarivo. Nahatratra 51,74% ny taham-pahafahana... • Ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Afrika Atsimo, tafajoro ny Antenimeran'ny Varotra eo amin'ny firenena roa tonta...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco