Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.

♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...

♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...

• Nihaona tamin'ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine ny tolak'andro teo, ny Filoham-panjakana Michaël Randrianirina. Nifantohan'ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta... • Tafakatra 62 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Maherin'ny 420.000 ireo traboina amina Distrika 29, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC androany... • Natao famotorana lalina teny amin'ny PAC ilay raharaha fanodikondinam-bola 183 tapitrisa Ariary tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny Hopitaly Itaosy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...