Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
Ilay Teny Tonga Nofo no mampiray ny ololmbelona, tamin'ny ohatra nomeny. Tsy niolonolona fa niray petsapetsa tamin'ny olona rehetra afa-tsy tamin'ny fahotàna. Nanamasina ny fiainam-pianakaviana sy fikambanana izy, tamin'ny fampianarany hifampitondra toy ny mpirahalahy, tamin'ny fivavahana nataony (Mba ho iray anie izy rehetra), Didy nomeny ny ha-fianakavian'Andriamanitra ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Adidy tsy maintsy atao ny fanabeazana ny tanora ho afaka hananany fahamatorana. Misy zavatra roa mety hanimba ny fiainan'ny olona tsy ho afaka hisafidy ny tsara ary adidy ny miady amin'izany dia : ny fahantrana lalina ary ny famitahana ny tanora amin'ny fampiahantàna azy be loatra. Ny Fanjakàna sy ny fikambanana isan-karazany no filamatra amin'ny fampivoarana ny Tanora... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Noho ny fiaraha-monina dia tsy ny tena irery no hosoavina fa tsy maintsy manasoa ny mpiara-belona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny fandraisana anjara no fanoloran-tena tsara indrindra omen'ny tsirairay ny fiaraha-monina : tsy maintsy mandray anjara ny tsirairay araka ny toerana ananany ; amin'ny andraikitrao manokana (fikarakarana sy fanabeazana ny fianakaviana, fanatanterahana tsara ny asa)... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco