Nataon'Andriamanitra vatana sy fanahy ny olombelona. Tsy maintsy hajainy ny vatany ary lalainy ny fanahiny ; ny vatana dia toa fitambaran'ny zava-boahary tsy vakivolo satria ao aminy no fara-tampon'izy rehetra ary ahazoany midera ny Mpahary azy ireo an-kalalahana. Marina ny iheveran'ny olombelona fa noho ny sainy fotsiny dia mihoatra ny zavatra rehetra izy satria manana anjara amin'ny fahazavan'ny sain'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...

Voalazan'ny Baiboly fa nataon'Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, ary nataony lahy sy vavy ; saika mifanaraka mandrakariva ny hevitry ny mpino sy ny tsy mpino momba ity zavatra ity ka "Ny olombelona no toy ny foibe sy filohan'ny zavatra rehetra. Olo-marina no naharian'Andriamanitra ny olombelona nefa voasodokan'ilay Ratsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Lahatr'Andriamanitra ny isian'ny zava-mitranga sy izay tsy maintsy misy araky ny toetr'andro ankehitriny. Finoana no tsy maintsy hamaliana ny antso ; Andriamanitra no miantso hanohy ny fahariana, hiaro ny aina, asa entina mizaka ny tany, fitiavana sy fanajàna ny hafa. Miantefa amin'ny olombelona rehetra ny antson'Andriamanitra hiaina ny fifampitsinjovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...