25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.
Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
Ny vita batemy rehetra noho ny asan'ny Fanahy Masina ao aminy dia mandray ny finoana aloha ; ny vahoakan'Andriamanitra dia mandray anjara amin'ny adidy maha-mpaminany an'i Kristy, indrindra amin'ny fiainany feno finoana sy fitiavana, ary noho izy manolotra an'Andriamanitra sorom-piderana, vokatry ny molotra izay mankalaza ny anarany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco