Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Manana lanjany manokana ho amin'ny fiainantsika zanak'olombelona ny fianakaviana satria io no fiaraha-monina fototra, izay mahasaropiaro ny fiangonana ; nisongadina izany tamin'ny fitantanana tamin'ireto Papa ireto ( Joany Paoly-II, Paoly-VI, Léon-XIII, François). Noho ny fihavanana ao amin'ny Kristy dia tokony hisy hatrany ny fifanajàna ao amin'ny ankohonana sy eo amin'ny mpiray tanàna... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

04 mey — Eveka tao Gaza i Sylvain, niaina tamin'ny taonjato fahefatra. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Ary dia notanany hatramin'ny fahafatesany ny naha pretra sy naha eveka azy.

Tsy amin'ny toerana voafaritra ihany no iasan'Andriamanitra, ary ny fiombonana dia miorina tsikelikely amin'ny fahalalana sy ny fiekena fa mandray ny fanomezan'Andriamanitra ihany koa ireo fiangonana hafa tsy katôlika. Mamohafoha faniriana sy ezaka ny Fanahy ao amin'ny mpianatr'i Kristy rehetra mba hanajan'izy rehetra ny fomba naraikitr'i Kristy hahatafaray azy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...