24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.

23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.

22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.

21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...