16 marsa — I Masimbavy Bénédicte dia mpitoka-monina tao amin'ny fikambanana Clarisses, izany hoe mpanara-dia an'i Masimbavy Claire avy any Assise. Nanomboka ny taona 1214 izy no niditra tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Damien ao Assise.
15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.
14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco