19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.
18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.
16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647 izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.
15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco