14 desambra — I Masindahy Jean de la Croix resahana androany dia ilay avy ao amin'ny fikambanan'ny Carmes. Juan de Yepes Álvarez no anarany, teraka ny 24 jona 1542 izy, tao Frontiveros, Vieille-Castille, tanana anelanelan'i Salamanque sy Avila. Gonzalo de Yepes sy Catalina Álvarez no anaran'ny ray aman-dreniny.
13 desambra — Tovovavy avy any Syracuse, Italie, i Masimbavy Lucie. Tonga tany Catane, teo amin'ny fasan'i Masimbavy Agathe, izy niaraka tamn'ny renin'ny izay tratry ny fahaverezan-dra tsy nahitam-panafana. Rehefa avy nivavaka fotoana fohy teo izy dia sondrian-tory kely.
12 desambra — Raha zohintsika ny tantara nahatonga izany fankalazana izany dia toa izao : Ny sabotsy 09 desambra 1531, nisy indiana nantsoina hoe Juan Diego Cuauhtlatoatzin, nankany amin'ny tananan'i Maxico mba haneho mari-panajana an'i Masina Maria. Rehefa nandalo eo am-pototry ny tendombohitra Tepeyac izy, dia tampoka naheno feo avy any an-danitra izy.
11 desambra — Teraka ny taona 305 i Damase. Nitoetra tao Roma izy, niaraka tamin'ny fianakaviany. Niditra tao amin'ny fikambanan'ny mpisorona izy ary tonga iray tsara laza tamin'ireo pretra. Diakra niaraka tamin'ny papa Libère no nahafantarana an'i Damase, ary nomen'io papa io andraikitra izy ho masoivoho any amin'ny amperora Valens sy Valentinien.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco