21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.

20 jolay — I Masindahy Apollinaire resahana eto dia ilay avy any Antioche. Mpianatr’i Masindahy Pierre tamin’ny taonjato voalohany. Nohamasinina ho evaka tao Roma izy io dia nalefan’i Masindahy Piera tany Ravenne mba hitory ny finoana kristianina.

19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.

18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...