13 aogositra — Samy martiry tamin’ny taonjato fahatelo na i Pontien na i Hippolyte. Tamin’ny fanenjehana kristianina tamin’ny andron’ny amperora Maximin dia nalefa nanao asa anterivozona tany Sardaigne ny papa Pontien ary tena nampijaliana mihitsy mandram-pahafatiny.
12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.
11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.
10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco