♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...

Ny fahavanonana sy ny maha olom-pirenena no hitondra fampandrosoana sy fahatsaram-piainana. Ny fanajana ny maha-Malagasy ihany koa dia hamerina amin'ny laoniny ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...