Tanora sy olon-dehibe : 20 hatramin'ny 50 taona, olona efa nandalo ny fialan-tsakana, ary amin'ny dingan'ny fanomanana ny fahanterana. Ny fikoloina ny aina dia ilàna fanomanana hatrany, izay tsy mifantoka amin'ny filan'ny nofo fotsiny. Ny sakafo dia isan'ny fototra hikoloina ny aina, noho izany dia misy fotoanany ny fisakafoana, mila fialan-tsasatra ny vavony ; in-telo isan'andro no tsara hisakafoana ka ny maraina no tena atao feno sy tsara... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Zo fototra ho an’ny olona tsirairay, na lahy na vavy, na ankizy na olon-dehibe no misitraka sakafo sahaza ho azy. Isan’ny navoitran’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy Andriamatoa Francesco Machini avy ao amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO eto Madagasikara izany nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany hoan’ny sakafo teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny 16 oktobra 2016...

 Misy tanora miezaka mafy amin'ny fianarana nefa tsy mahatratra ny tanjony; misy mahazo diplaoma nefa tsy mahita asa. Toetra tsara hananana ny tsy fahakiviana. Ny olona tsirairay dia samy manana ny fihetsiny maoloana ny tranga iray. Zava-dehibe ny finoana, ny fanantenana ary ny fifanohanana. Ny tsy fahombiazana dia tsy mamaritra ny hasarobidin'ny olona iray. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Tanora AHAPPY...

Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...