Ny "Sôvaramita" dia lahabolana haifamoronana avy amin'i Raphi sy L Niry Andriamora. Azo lazaina efa zava-kanto raikitra tao amin'ireo mpanakanto teo aloha izy ity, izay ahenoana gadona miavaka, tena Malagasy. Iretsy roalahy namorona sy nanome an'ity lahabolana ity dia samy nandalina ny taranja Malagasy  (Riba sy literatiora) ; etsy ankilany dia mifona hanatra sy fanabeazana ary hatsikana sy fialamboly ny Sôvaramita. Mora ho an'ireo izay mahafehy teny hodidina izy ity, indrindra ireo izay mahafehy haingon-teny...

Ny "Sôvaramita" dia lahabolana teraka tamin'ny alalan'ny hai-famoronana, teraka ny taona 2013 ; voambola roa no mandrafitra ny teny hoe "Sôvaramita" dia ny "Sôva" sy ny "Kidaombaramita". Ity farany moa no nakàna ampahanteny "Ramita". Ny Sôvaramita dia manana endrika pôezia, sy fifanosonan'ny literatiora moderina sy ny nentim-paharazana. Ny mpanoratra sady Pôeta L. Niry Andriamora ary Raphi no namorona azy ity. Naka tahaka ny fomba ny sôva amin'ilay mitanisanisa, ary tsy maintsy mingadona kidaombaramita...

Etoana dia ireo mety ho hafatra napetraky ny olona iray mialohan'ny hafatesany no tiana resahina eto. Ny hafatra dia teny napetra amin'olona hafa, teny am-bava na an-tsoratra, mety hisy vavolombelona na tsia. Ny teny dia manana ny hasiny, torak'izany koa ny fanahy, izay velona foana na maty aza ny vatana. Ny isa telo dia isa masina ary metitika misy amin'ireo tranga samihafa, toy ny hoe "maty in-telo ilay fiara" rehefa nitondrana razana iray amin'ny toerana izay mifanohitra amin'ny hafatry ny maty. Mety hiteraka loza ny tsy fanatanterahana ny hafatry ny maty anefa mety ho fifandrifin-javatra ihany koa...

Ny "miteny" sy ny "mivolana" dia samy matoan-teny, ny "tsy" manoloana azy ireo eto kosa dia mpamari-toetra, ireo no mitambatra no menome hevitra "havonavona, fanambaniana", "tsy fifanajàna. Ny hoe"miteny" dia manokatra ny vava, manambara teny mazava, mamoaka ny ao am-po ; ny "mivolana" dia an-tsoratra kokoa, miditra lalina kokoa. Misy heviny mifamatotra amin'ny tantara ary taratra amin'ny kolontsaina ny hoe "volana". ireto misy voambolana ahatarafana ny hoe "volana" ireto : Rasavolana, Mitambolanela(mitan-tsoratra), volan'onjatsy...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...