♦ Tsy tokony avela ho baranahiny ny fitantanana ny renivohitr'i Madagasikara hoy ny filoha teo aloha, sady filoha nasiônalin'ny antoko TIM. Mila hafainganina koa hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana ny fanendrena ny praiministra sy ny fijoroan'ny governemanta... ♦ Namelabelatra ny momba ny tetezamita hizorana mankany amin'ny fanavaozana ny Vovonana Ampandrana. Andrim-panjakàna hiaro ny repoblika hoy izy ireo no mila hajoro... ♦ Hitohy anio eny Anosy ny atrik'asa namolavolana antontan-taratasy fahatelo momba ny fandraisana anjara nasiônaly ho fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro "CDN" fahatelo...
♦ Misy ihany ireo hevi-dehibe tsy mazava tao anatin'ny tatitra nomen'ny fitondrana, ny SADC hoy ny vovonana Ampandrana (VonA), androany... ♦ Misy mitaona ny entana ao amin'ny Lapan'ny tanàna araka ny tatitra voarain'Andriamatoa Ravalomanana Marc avy amin'ireo mpanolontsaina monisipaly lany tamin'ny anaran'ny antoko TIM... ♦ Ao anatin'ny famolavolana ny antontan-kevitra fahatelo momba ny fandraisana anjara nasiônaly ho fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro i Madagasikara ankehitriny... ♦ Tsy hisy fetrany ny fitohizan'ny fanafihana an'i Iran, hoy ny Ministry ny fiarovana Israeliana...
♦ Governemanta mamaly ny tolona sy ny fitakiana natao no tokony hitsangana ho avy eo hoy ny KFIM, ireto farany izay manamafy hatrany ny handravana ihany koa ireo andrim-panjakàna tsy nahavita ny asany... ♦ Nahazo fanampiana milanga 30 taonina avy amin'i Inde entina hanampiana ny Faritra Atsinanana ny Birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC)... ♦ Mitohy ny asa fikojakojana sy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7, mampitohy an'Antananarivo - Atsirabe, anatin'ny fandrakofana tara eo Behenjy makaty Antananarivo ny asa ankehitriny...
♦ .Manaiky sy manaja ny fanapahan-kevitry ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tamin'ny fampiatoana azy tamin'ny andraikitra nosahaniny ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo.. ♦ Hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ireo solombavambahoaka afahana manolotra ny anaran'izay ho praiministra vaovao, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Mampiantrano ny andiany faha-10 amin'ny fivoriamben'ny CARD isika eto Madagasikara, fivoriana hametrahana vina hampitombo avo roa heny ny voka-bary aty Afrika hatramin'ny taona 2030...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco