♦ Hitodika misimisy kokoa amin'ireo tanora amin'izay ny Firaisamonim-pirenena Kmf/Cnoe, momba ny firotsahana amin'ny fanabeazana ny Olom-pirenena sy ny raharaham-pifidianana... ♦ Ilaina ny fiaraha-mientan'ireo antoko sy mpanao pôlitika amin'ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena hifidy sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana hoy ny filoha nasiônalin'ny Antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Ho entitra ny Fanjakàna amin'ny fampanjakàna lalàna sy ny ady amin'ny kolikoly manoloana ireo karazana fandikan-dalàna misy hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

♦ Hikarakara dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana manomboka rahampitso talata voalohan'ny volana septambra hatramin'ny faha-8 septambra izao ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Handefa taratasy fangatahana fanafoanana sy fangatahana fampiatoana didy fampiatoana azy ireo tamin'ny asany eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna, anio, ireo mpitsara 3 vavy voakasiky ny fampiatoana teo anivon'ny PAC... ♦ Maty voatifitry ny mpitandron'ny filaminana ny faran'ny herinandro teo, ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ilay raharaha fanendahan sy fanolanana faobe an'i Haingotiana sy Stéphanie ... 

• Tany amin'ny nosy Sainte Marie ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, nanokatra ofisialy ny andiany faha-14 amin'ny lanonana ara-kolontsaina “Festival Tsôlabe”... • Naroso androany zoma 28 aogositra, raha tokony ho isaky ny 31 aogositra, ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana, ho antsika eto Madagasikara... • Isan'ny lesoka tamin'ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara hatramin'izay, ny tsy fananan'ny mpitondra fahaizana sy fahalalana mitantana. Saika tongatonga ho azy, noho ny zava-mitranga teto amin'ny firenena izy ireo, ka tsy manana vina sy paikady fampandrosoana...

• Mpitsara telo eo anivon'ny fampanoavan'ny PAC Antananarivo no naato tamin'ny asany. Tsy misy ambonin'ny lalana, hoy ihany ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Manomboka ny fampiofanana momba ny fanangonan-kevitry ny vahoaka any ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena. Mpikamban'ny FFKM miisa 510 no nisantatra izany fampiofanana izany, etsy amin'ny CCI Ivato... • Natsahatry ny QMM ny asa famokarana fasimainty ao Mandena Tolagnaro. Nisy sakan-dalana nataon'ny andian'olona in-telo miantaona tato anatin'ny telo herinandro...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...