Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....

Didy fahadimy amin'ny Didin'Andriamanitra ny hoe "Aza mamono olona". Ny mamono olona tsy amin'ny rariny, na mamono tena no voarara amin'io didy io, izany hoe famonoana olona noho ny fankahalana, na managadra olona noho ny valifaty, managadra olona noho ny tombontsoa, ny famonona ireo marary ho fampitsaharana ny fanaintainany, ny manala zaza sy ny mikapoka vehivavy mitondra vohoka. Fahotana lehibe ny famonona olona satria misandoka ny fahefan'Andriamanitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 14 jona 2026 - Alahady Faha-11 mandavantaona — A : Ianareo no fanjaka-mpisorona ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy. Ny hoe "Honena" dia mitovy amin'ny hoe "Mangoraka"-"Mihetsipo lalina" izany hoe tsy fihetsepo tsotra fa tena vokatry ny fo, ary miatraika any anaty ka mitondra alahelo. Ny vokatry ny fihetsepo lalina dia ny famindrampo ; mpamindra fo sy fitiavana Andriamanitra. Ny vokatra voalaza ao amin'ny vakin-teny amin'ity alahady ity dia ireo olona rehetra mila an'Andriamanitra...

Misy ny didin'Andriamanitra miisa 10 ; ny didy fahaefatra dia manentana antsika hanajana ny ray aman-dreny mba hahelavelona, tsy hanavahana anefa izany na ray aman-dreny ara-nofo na ara-panahy. Eto Madagasikara anefa dia zary ankilabao ny ray aman-dreny ara-panahy, eo koa ireo ray aman-dreny ara-drazana. Manana adidy ny tsirairay araka ny toerana koa aoka samy hanao izany araka ny efa voafaritra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Adidin'ny tsirairay ny ady amin'ny kolikoly sy ny fidinana an-dalambe mety hanimba ny fiainam-pirenena. Rariny ny hamahana ny olana mianjady amin'ny vahoaka hialana amin'ny fifandirana ; tokony hirindra sy tsy hisy fifanoherana ny toro-marika avy any amin'ny foibe mimpaka aty ifotony. Ilaina ny fandinihan-tena, ny fifamelan-keloka, tsara raha samy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, singa iray ny fikaonan-doha handaminana izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...

Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny olon-drehetra, ny tany ama-monina sy ny fanjakàna dia samy tsy maintsy miaro ny zon'ny Ray aman-dreny hanana fara aman-dimby sy hanabe azy anatin'ny fianakaviana. Ny fianakaviana dia sekoly hanatsarana ny maha olombelona ; miara-miasa ny mpivady manabe ny zanaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Ankoatry ny fanabeazana ny ara-nofo sy ara-tsaina dia adidin'ny Ray sy Reny ny manabe ny ara-panahy. Ny ankohonana no Eglizy kely voalohany handraisan'ireo zanaka ny finoana. Ny vavaka dia tena mampiombona ny fianakaviana. Adidin'ny Ray sy Reny ny manampy ny zanany hamantatra sy hamaly ny antson'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

An'Andriamanitra ny aina. Izy no manome, Izy koa no maka hoy ny fahendren-dRazantsika. Adidy ankinin'Andriamanitra amin'ny olombelona ny fiahiana ny aina, ny miaro azy ; noho izany dia anadinan'Andriamanitra antsika olombelona izany. Tsy maintsy harovana amim-pitandremana lehibe ny aina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Ny mpivady tsy miray ara-nofo dia mety hihena fifankatiavana sy fiombonana ; mety ho tonga fiaraha-monina sisa ny fifandraisan'izy ireo. Rehefa tapaka ny firaisana ara-pomban'ny mpivady dia mety ho tandindomin-doza ny tsy fivadihana ary mety ho an-kihilahila ny soa ho an'ny ankizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Mila mahay manavaka tsara ireo lafim-panabeazana ny ray aman-dreny : avahany miavaka tsara ny fanabeazana ara-nofo, ny fanabeazana ara-tsaina ary ny fanabeazana ara-panahy. Mifameno ireo lafiny telo ireo saingy kosa samy manana ny hanitra ho azy, ka samy mila raisina an-tanana tsara daholo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...