Alahady 25 oktobra 2026 - Alahady faha-30 mandavantona - A - Tia an'Andriamanitra sy ny namana no maha-kristianina. Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra. Nisy 613 isa ny lalana ho an'ny Jody sy ny Farisianina, anefa tsy nilaza sy nitanisa na izay mety ho filaharany ireo i Jesoa fa didy 2 no nolazainy ary mitovy ihany izy ireo : Fitiavana an'Andriamanitra sy ny Fitiavana ny namana. Andriamanitra no ivon'ny fiainana manontolo, ary fitiavana ; tsy nanova ireo didy nisy i Jesoa fa nanamafy ary nanambatra...

Manana adidy hitandro sy hikolokolo ny aina ireo mpino nomena andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ary handala ny rariny sy ny hitsiny. Masina Andriamanitra izay inointsika ka deraina sy hajaina ary tsaohina sy deraina ; sitrak'izy Mpahary ny hamela tandindona sy famantarana ho antsika ka isan'ireny ny Sakramenta sy ny sakramentaly... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny vatana dia anisan'ny maha-olona, tsy azo hamavoina, tsy azo amidy, ary tsy azo atao fitaovana hanatanterahana faniriana tsy manaja ny hasin'ny olona. Manana lanja ara-panahy ny vatana. Tsy fonja mitazona ny fanahy ny vatana fa toerana isehoan'ny olona sy iantsoana azy hanome voninahitra an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Ny olona dia endrik'Andriamanitra : vatana sy fanahy ; iry voalohany dia ampahany manan-danja amin'ny maha-olona ary itsy faharoa kosa dia loharanon'ny fahafahana, ny saina ary ny fitiavana, ahafahan'ny olona mahalala ny marina, misafidy ny tsara, ary manolo-tena amin'ny fitiavana ; tsy azo zarazaraina amin'ny fomba manimba ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Ny "Imago Dei" dia tsy omena olona sasany fotsiny, fa an'ny olombelona rehetra, manambara fa mitovy fototra ny hasin'ny olona rehetra. Io fitovian'ny hasina io no manapaka ny fanavakavahana rehetra. Ny olona amin'ny maha-endrik'Andriamanitra azy dia manana fahamendrehana tsy refesina amin'ny zavatra ivelany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Tsy avy amin'ny vola, ny fahefana, ny fahasalamana, ny hatsaran-tarehy, ny taona, na ny fahafahana mamokatra ny fahamendrehan'ny olona. Miorina amin'ny fifandraisany amin'Andriamanitra izany. Ny olona dia manana hasina satria noharian'Andriamanitra, tiany, antsoiny ary kendreny hiditra amin'ny fiombonana Aminy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Masindahy Irénée de Lyon dia mampifandray ny "Imago Dei" amin'i Kristy, satria ao amin'i Kristy no ahitana amin'ny fomba feno ny endrik'Andriamanitra sy ny fahatanterahan'ny olombelona. Ny olona dia tsy feno raha sarahina amin'i Kristy, Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita maso.... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Alahady 18 oktobra 2026 - Alahady faha-29, mandavantaona "A". Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Fanontaniana mipetraka eto, anatin'ny vaky teny Masina, dia manontany hoe ahoana no tokony hiainan'ny amin'ny fiainana andavanandro sy manoloana ny Fanjakàna. Tsy manary ny vahoakany Andriamanitra ; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra sy mamaritra ny tantaran'ny olombelona, azy ny fahefana feno...

Ny fianarana no lova tsara indrindrina. Fitaizana niainga teo anivon'ny fianakaviana sy ny fanomzan-danja ny tontolo iainana no fomba nanabeazana ny taranaka Malagasy ; ny fahalalana an'Andriamanitra-Andriananahary na ilay nahary no zoki-pahalalana fototry ny fahendrena. Nanampy ny fandalana ny dina sy fady. Tany manan-kasintsara tokoa i Madagasikara. Manimba ny ho avin'i Madagasikara ny fitavam-bola diso tafahoatra, eo koa ny fanompoana andriamanin-kafa, ny havonavona sy ny fireharehana. .... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

.Ny Soratra Masina dia mampatsiahy fa Andriamanitra no tompon'ny aina, ka tsy azon'ny olona potehina araka izay sitrapony. Ny didin'Andriamanitra "Aza mamono olona" dia tsy fandraràna tsotra fotsiny fa fanambarana fa masina ny ain'ny olona. Satria fitahiana sy lova ny aina dia mitaky fiarovana amin'ny herim-po.. Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Ny olona dia noforonina mitovy endrika sy mifanahaka amin'Andriamanitra. Ny hasin'ny olona dia tsy avy amin'izay vitany fa avy amin'izay maha-izy eo anatrehan'Andriamanitra ka ao no miorina ny hasiny sy ny fitovian'ny olombelona rehetra. Ny olona iray dia fitambaran'ny vatana sy fanahy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Avy amin'Andriamanitra ny aina ary antso mitaky andraikitra, fa fitahiana sy lova ihany koa. Loharanon'ny fifaliana sy ny fanantenana ny aina ka tokony horaisina, hovelomina ary harovana amin'ny toe-javatra rehetra. Ny aina dia tsy mijanona amin'ny fahaveloman'ny tena fa mitohy aminny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...