♦ Hitodika misimisy kokoa amin'ireo tanora amin'izay ny Firaisamonim-pirenena Kmf/Cnoe, momba ny firotsahana amin'ny fanabeazana ny Olom-pirenena sy ny raharaham-pifidianana... ♦ Ilaina ny fiaraha-mientan'ireo antoko sy mpanao pôlitika amin'ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena hifidy sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana hoy ny filoha nasiônalin'ny Antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Ho entitra ny Fanjakàna amin'ny fampanjakàna lalàna sy ny ady amin'ny kolikoly manoloana ireo karazana fandikan-dalàna misy hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

♦ Hikarakara dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana manomboka rahampitso talata voalohan'ny volana septambra hatramin'ny faha-8 septambra izao ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Handefa taratasy fangatahana fanafoanana sy fangatahana fampiatoana didy fampiatoana azy ireo tamin'ny asany eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna, anio, ireo mpitsara 3 vavy voakasiky ny fampiatoana teo anivon'ny PAC... ♦ Maty voatifitry ny mpitandron'ny filaminana ny faran'ny herinandro teo, ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ilay raharaha fanendahan sy fanolanana faobe an'i Haingotiana sy Stéphanie ... 

• Tany amin'ny nosy Sainte Marie ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, nanokatra ofisialy ny andiany faha-14 amin'ny lanonana ara-kolontsaina “Festival Tsôlabe”... • Naroso androany zoma 28 aogositra, raha tokony ho isaky ny 31 aogositra, ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana, ho antsika eto Madagasikara... • Isan'ny lesoka tamin'ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara hatramin'izay, ny tsy fananan'ny mpitondra fahaizana sy fahalalana mitantana. Saika tongatonga ho azy, noho ny zava-mitranga teto amin'ny firenena izy ireo, ka tsy manana vina sy paikady fampandrosoana...

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

• Mpitsara telo eo anivon'ny fampanoavan'ny PAC Antananarivo no naato tamin'ny asany. Tsy misy ambonin'ny lalana, hoy ihany ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Manomboka ny fampiofanana momba ny fanangonan-kevitry ny vahoaka any ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena. Mpikamban'ny FFKM miisa 510 no nisantatra izany fampiofanana izany, etsy amin'ny CCI Ivato... • Natsahatry ny QMM ny asa famokarana fasimainty ao Mandena Tolagnaro. Nisy sakan-dalana nataon'ny andian'olona in-telo miantaona tato anatin'ny telo herinandro...

• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina ny K2HB. Tsy tokony hijanona fotsiny amin'ny fanadihadiana parlemantera ny raharaha, hoy ity fikambanana ity... • Hanampy ireo vondrondra mpanafatra solika, ny orinasam-panjakana SPM, hisorohana ny mety ho tsy fahampian'ny solika eto amintsika. Solika 20.000 m3 no hampidramina azy ireo, hamatsiana ny filana eto an-toerana... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE, amin'izao fotoana fandraisan-karama izao...

• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena momba ny Kianja Barea ny K2HB, taorian'ny nivoahan'ilay fanadihadiana parlemantera teny Tsimbazaza... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE manoloana izany... • Hiroso amin'ny fanasaziana ny Kaominina Ambohidratrimo, amin'ireo manarinary fako an-dalambe sy anaty lalan-drano. Nilaza ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny mpitantana...

• Miatrika fiofanana eto an-drenivohitra ireo mpampiofana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, hiparitaka any amin'ny faritra samihafa. Fiofanana mandritra ny telo andro, karakarain'ny FFKM... • Tanterahana any Manakara nanomboka omaly ny fifaninanana lalao ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana, na ny ASIEF. Nanokatra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Miantso ny tanora hitondra ny heviny amin'ny dingana famolavolana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an'ny taona 2027, ny Filohan'ny Observatoire de la Jeunesse, Lanto Ratsida...

• Miainga amin'ny fametrahana ireo rafitra mpitarika ny fakan-kevitra hatrany amin'ny kaominina, ny fanafainganana ny asa hotanterahina amin'ny fikaonandoham-pirenena. Fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Vovonana RDM... • Tsy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, tamin'ny fitoriana napetrany ny antoko Kintana... • Niabo ny vokatra azon'ny CRS tamin'ny asa nataony amin'ny fanjarian-tsakafo, tany amin'ny faritra iasany. Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny izy ireo omaly...

• Tsy ho ampy ny fotoana fito volana hakana hevitra hatrany ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena, araka ny tetiandro navoakan'ny FFKM, raha ny fijerin'ny Filohan'ny Vovonana RMDM... • Tokony homena ny teknisianina ny fitantanana ny toe-karena eto Madagasikara. Mila ajoro ny andrim-panjakana manokana hisahana izany, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanana raharaham-panjakana... • Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny, ny Catholic Relief Services. Nisy ny atrikasa teny Antaninarenina androany...

• Anatin'ny lahadinika hiadian-kevitra momba ny faharetan'ny fe-potoana hitantanana ny tetikasa Volobe Amont, ny fitondram-panjakana sy ny Consortium CGHB amin'izao fotoana izao... • Nisy fiakarany 0,51% ny isan'ireo vahiny mpizaha tany tonga teto Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana voalohany tamin'ity taona ity... • Tsy afaka mandefa solontena ao anatin'ilay Vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony, ireo antoko politika lehibe eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny CENI, Thierry Rakotonarivo...

• Atao mangarahara ny fomba fiasa sy ny fomba hitantanana ny hevitry ny vahoaka eny ifotony, mandritra ny fikaonandoham-pirenena karakarain'ny FFKM. Ny volana marsa 2027 no hanaovana ny dinika eo amin'ny sehatra nasionaly... • Miroso amin'ny fanadiovana ny tontolon'ny haino aman-jery manerana ny Faritra 24, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Nanombohana ny fidinana ifotony ny tany amin'ny Faritra Itasy... • Mahatonga ny tsy fananana asan'ny tanora sy nampahantra ny firenena ny tsy nanaovana ho laharam-pahamehana ny sehatry ny fampianarana teknika hatramin'izay, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Araka Asa...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...