Tanora sy olon-dehibe : 20 hatramin'ny 50 taona, olona efa nandalo ny fialan-tsakana, ary amin'ny dingan'ny fanomanana ny fahanterana. Ny fikoloina ny aina dia ilàna fanomanana hatrany, izay tsy mifantoka amin'ny filan'ny nofo fotsiny. Ny sakafo dia isan'ny fototra hikoloina ny aina, noho izany dia misy fotoanany ny fisakafoana, mila fialan-tsasatra ny vavony ; in-telo isan'andro no tsara hisakafoana ka ny maraina no tena atao feno sy tsara... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nolavin'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy tamin'ny raharaha Boeing 777... ♦ Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika sy hitadiavana famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, ny fandraisana anjara amin'ilay fihaonana an-tampony fahatelo eo amin'i Russie sy Afrika, manomboka androany ary aharitra roa andro any Moscou... ♦ I Madagasikara no mandray ny andiany faha-20 amin'ny fiadiana izay ho tompon-dakan'ny Ranomasimbe Indiana ho an'ireo atleta manana fahasembanana (CCHOI 20e édition)...
• Raharaha Boeing 777, napetraka hodinihin'ny Fitsarana ny fangatahan'ny Fampanoavana momba ny hanokafana famotorana fanampiny momba ity raharaha ity. Nolavin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy… • Mangataka ny hijeren'ny fitondram-panjakana sy ireo Solombavam-bahoaka ny olan'izy ireo, ny tantsaha mpamboly “orge” ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrikan'Antsirabe Faharoa… • Nanomboka androany ny Herinandro ho an'ny Havatsa UPEM. Nisongadina tamin'ny fanomezana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Asa Soratra ho an'ireo mpikambana…
♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra 10 taona an-tranomaizina noho ny fanaparam-pahefana ny solombavambahoaka Naivo Raholidina, araka ny didy nivoaka ny maraina teo... ♦ Mbola tsy hiala amin'ireo orinasa tsy miankina mivarotra herinaratra aminy aloha ny JIRAMA, hoy ny Tale Jeneraly. Nambarany fa mbola handaniana vola betsaka indrindra eo anivon'ny orinasa ny famokarana hatramin'izao... ♦ Tombanana hahazo vahana tanteraka ny volon'andro fahavaratra, saika manerana ny Nosy amin'ity herinandro ity. Miantso ny rehetra handray fepetra ny météo, manoloana ny mety hisian'ny rotsak'orana mifanesy...
Ny mpiventy amin'ny lahabolana "ôsika na ôsiky" no tena atao hoe mpiôsika. Ity lahabolana ity dia atao hira am-bava, mazana arahana tehaka, misy koa anefa mampiasa zava-maneno. Ny ôsi-dihy dia ahitana olona manao dihy mihitsy. Ny faritra atsinanana-avaratra any Analanjirofo, Ambatosoa no tena miangaly azy, ankoatra ny ao Alaotra. Tsy misy fetra ara-potoana arahina amin'ny fanaovana ny ôsika fa arakaraky ny aingam-panahy. Maro ny fomban-drazana hanaovana ny ôsika fa ny tena hanehoana ity lahabolana ity dia ao anatin'ny fifaliana, ankoatra ny hoe fahafatesana na fahalasanana ray aman-dreny efa voky andro, ohatra 90 taona no mihoatra...
♦Hotsaraina anio eny amin'ny PAC 67Ha ny raharaha Boeing 777. Fotoam-pitsarana ampahibemaso izay azon'ny besinimaro hatrehina, hoy ny fampitam-baovao avy amin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ... ♦ Hivaha manomboka amin'ny taona ho avy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo. Tsy maintsy mbola hisy anefa aloha ny fitaomana rano amin'ny fiarabe ho an'ireo toerana sasany, mandrampiandry izany... ♦ Tsy ny tsindry amin'ny tambajotran-tserasera no handraisana fanapahan-kevitra hitantanana ny firenena, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, momba ny raharaham-pirenena...
• Hotanterahina rahampitso eny amin'ny PAC 67ha ny fitsarana azon'ny besinimaro atrehina, momba ny raharaha fandefasana Boeing 777 any Iran… • Milaza ho gaga amin'ny tsy fahitana vahaolana momba ny delestazy eo anivon'ny JIRAMA, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara… • Mangataka amin'ny fitondram-panjakana malagasy ny mba hampidirana anaty tetibolam-panjakana 2027 ny saran'ny fanaovana “dialyse”, ireo marary voa miisa 167 mivondrona ao amin'ny fikambanana FMVDI…
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Misaotra ny kristiana ao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa tamin'ny fifanotronana nandritry ny 24 taona niarahana i Mgr Fulgence Rabemahafaly. Nankasitraka azy tamin'ny asa vitany ihany koa ny handimy azy Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Tsy azo iodivirana ny fampiasana ny saina voatran'olombolena (I.A) saingy tsy maintsy mampianatra ny tanora hifehy azy io isika hoy ny mpampianatra informatika, mpitantana ny ISPM, Pr Raboanary Julien... ♦ Mila manana pôlitika ara-ketra mandrisika isika Malagasy raha te hampiroborobo ny indostria manodina ny vokatra ara-pambolena hoy ny mpahay toe-karena Dr Hugues Rajaonson...
♦ Mandray ny maha Arsevekan'i Fianarantsoa azy i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona herintaona aty aorian'ny naha Arseveka Coadjuteur an'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa azy. Neken'ny Papa Léon-XIV ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, hitsahatra... ♦ Seminarista sy skôlastika miisa 157 no notokanana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny amin'ny seminera zokiny fandalinana teôlôjia Faliarivo eny Ambanidia. Nitarika ny Sorona Masina ny Evekan' i Miarinarivo Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Hiatrika ny fifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny tetik'asa miisa 3 nivoaka nandresy tamin'ny POESAM teto Madagasikara...
♦ Nampidirina am-ponja ireo mpiasan'ny fandraharahana ny fonja miisa 3, isan' ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha fivoahan'ny voafonja sinoa 11 teny amin'ny fonjan'Avaradrano... ♦ Hiditra amin'ny dingana faharoa ilay fakan-kevitra momba ny fifidianana notarihin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny Iavoloha, antsoina hiady hevitra sy hamoaka tsoan-kevitra ireo vondrona sy fikambanana miisa 593 nandray anjara tamin'ny dingana voalohany hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Hisy hetsika fanentanana sy tetik'asa filamatra hitantanana ny rano ao anatin'ny tetik'asa PIAA-II ka fokontany miisa 52 no hanaovana izany...
Alahady 25 oktobra 2026 - Alahady faha-30 mandavantona - A - Tia an'Andriamanitra sy ny namana no maha-kristianina. Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra. Nisy 613 isa ny lalana ho an'ny Jody sy ny Farisianina, anefa tsy nilaza sy nitanisa na izay mety ho filaharany ireo i Jesoa fa didy 2 no nolazainy ary mitovy ihany izy ireo : Fitiavana an'Andriamanitra sy ny Fitiavana ny namana. Andriamanitra no ivon'ny fiainana manontolo, ary fitiavana ; tsy nanova ireo didy nisy i Jesoa fa nanamafy ary nanambatra...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco