♦ Tsy misy ny kisendrasendra hoy ny FFKM fa efa manana ny heveriny ho an'ny Tanindrazantsika Andriamanitra... ♦ Nisongadina tao anatin'ny 10 taona nijoroan'ny valaben'ny firaisankinan'ny Sendika eto Madagasikara (SSM) ny nananan'izy ireo solontena roa ao anatin'izao governemantan'ny Fanavaozana izao... ♦ Efa tafidina anelanelan'ny 1°C ny maripàna ambany indrindra eto Madagasikara amin'ity herinandro ity hoy ny météo... ♦ Nitrangana fipoahana mahery vaika, omaly hariva, tao amin'ny foibe mpikirakira "Gaz naturel" iray ao Qatar. Ankoatra ny firehetana goavana dia olona 45 farafahakeliny no naratra ary 18 hafa tsy hita...
♦ Nampahafantarin'ny FFKM omaly ny tetiandro voalahatra hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Miisa 61 ireo marary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Andranoro-Antehiroka izay voatery nentina teny amin'ny Hopitaly 3 samihafa... ♦ Misy amin'ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra no manambana ny hitokona rahampitso... ♦ Tafakatra 49 ireo departemanta any Frantsa nahazo filazana miloko mena, izay loza mihatra amin'ny hafanana be mahery vaika anio...
♦ Miisa 10 hatramin'izao ireo matin'ny MPox teto Madagasikara hatramin'ny nidiran'ny valan'aretina ity. Nisy olona 2 lavon'ny aretina indray ny alakamisy teo araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly... ♦ Manohy ny fiara-miasa amin'ireo laharam-pahamehana hahazoana tombontsoa iombonana i Etazonia sy Madagasikara. Isan'ny nivoitra izany nandritry ny fankalazana ny faha-250 taonan'ny Fahaleovantenan'i Etazonia sy ny faha-160 taona niarahany niasa tamin'i Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny mety ahafoana ny 30%-ny orinasa mijoro ireo Malagasy mpandraharaha noho ny IA...
Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....
Ny hatoka manaintaina dia tsy fahasalamana mpahazo ny olon-dehibe matetika, mba tsy hiteraka olana ara-pahasalamana hafa dia tsara ny hanatonana mpitsabo matihanina "Rhumatologue - Osteopathe". Saropady ny hatoka, izay fitambaran'ny taolan maro miainga avy eo amin'ny fototry ny loha, ary ahitana nofo sy ozatra na retsika. Maro ny antony mahatonga ny fanaintainana amin'ny faritry ny hatoka : tosi-dra miaka-midina, niolam-pandrina, vodona, fibromyalgie (fanaintainan'ny ozatra sy ny nofo), sciatique... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nanao veloma an'ny Mgr Tomaz Gryza, Nonce Apôstôlika eto Madagasikara ny Arsidiôsezin'Antananarivo omaly. Izy izay voatendry hiasa any Ouganda ny 14 mey 2026 teo... ♦ Nikarakara ady hevitra momba ny asa fanaovan-gazety manoloana ny firoboroboan'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambazotra serasera ny Oniversite Katôlika Madagasikara (UCM). Tsy azo ialana intsony ny tontolon'ny nomerika hoy ny mpandray anjara... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny tolona tamin'ny volana septambra sy ôktobra tamin'ny taon-dasa ny firaisamonim-pirenena manoloana ny fizotry ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena...
Didy fahadimy amin'ny Didin'Andriamanitra ny hoe "Aza mamono olona". Ny mamono olona tsy amin'ny rariny, na mamono tena no voarara amin'io didy io, izany hoe famonoana olona noho ny fankahalana, na managadra olona noho ny valifaty, managadra olona noho ny tombontsoa, ny famonona ireo marary ho fampitsaharana ny fanaintainany, ny manala zaza sy ny mikapoka vehivavy mitondra vohoka. Fahotana lehibe ny famonona olona satria misandoka ny fahefan'Andriamanitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Mampanahy ny firaisamonim-pirenena ny fizotran'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, indrindra fa ny fanemorana indray ny fotoana hanombohana azy... • Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany, ny firosoana ao anatin'ny rafitra nomerika i-SAVA... • Niadian-kevitra teny amin'ny UCM Ambatoroka androany, ny mahakasika ny asa fanaovan-gazety, manoloana ny firoborobon'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambajotram-piarahamonina...
Mbola ambany ny tahan’ny vokatra ny ronono jifain’ny malagasy raha mihoatra amin’ny atsy Afrika sy ny any Eraopa. Tsy misy afatsy 7 kilao isan’olona isan-taona izany raha efa mahatratra hatrany amin’ny 60 kilao isan-taona isan’olona ny atsy Afrika. Isan’ny nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany hoan’ny ronono teny amin’ny zaridain’Antaninarenina ny 05 jona teo...
Ny fanomezan-drà an-tsitrapo dia fihetsika tsotra nefa mahavonjy aina maro. Zava-dehibe ny fahalalana ny fepetra sy ny fizotry ny fanomezana rà, ary koa ny tombontsoa entiny, mba hanesorana ireo ahiahy sy hevi-diso mbola misy. Amin’ny ankapobeny, afaka manome rà ny olona rehetra 18 hatramin'ny 70 taona , milanja 50kg fara-fahakeliny, ary mahatsiaro salama. Ny toe-pahasalamana , ny "voyage" izay natao ary ny tantara ara-pahasalamana vao haingana (antécédents médicaux récents) , dia tombanana amin’ny alàlan’ny fanontaniana apetraka amin’ny fanomezana rà.
♦ Mikarakara varavarana misokatra, hetsika tafiditra anatin'ny fanamarihana ny faha-30 taonany ny Radio Don Bosco ny 24 jona 2026 izao. Tsy hifarana ny fankalazana raha tsy ny faha-31 janoary 2027... ♦ Manentana ny Malagasy hanamafy indray ny fitandremana ara-pahasalamana manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina MPox ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Distrika miisa 5 no tena ahitàna betsaka azy tao anatin'ny efatra herinandro... ♦ Manohana ny fampandrosoana ny fampianarana teny Anglsy eto Madagasikara ny governemanta amerikana. Atao eny amin'ny ENS Ampefiloha ny fihaonambe moma ny fampianarana teny Anglisy...
Ny kolontsaina no mampiavaka ny firenena samihafa. Miandrandra fanavaozana ny Malagasy ary ny fiverenana amin'ny fanajana ny kolontsaina no fototra tsara hizorana amin'izany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia soatoavina tsara mpampiavaka ny Malagasy; voalohany amin'ireny ny fanajana ny tena amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika (fomba fiaina sy fomba fiteny). Ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampiresahana dia vokatry ny fifanajana sy fanajana, mampitsiry fitiavana, ireny no mampitoetra ny fifanomezan-kasina ka hampilamina ny fiaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco