Mahafinaritra rehetra tanteraka ny fiombonana sy ny firaisan-kina ary io no isany mampiavaka ny soatoavina Malagasy. Misy lanjany ny Fanjakàna Malagasy, miavaka isika amin'ny fiarovana ny aina, fitandroana ny fihavanana sy ny fiarovanana ny tontolo iainana. Ny fiombonana no sori-dalana efa hitanan'ireo mpanjaka nitondra amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fanjakàna ka tokony mbola himasoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...

Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia ilaina ny fampanjakàna ny fiadanana amin'ny fiainana ny fahaiza-mamela, fahaizana mifampihaino ary ny fahaiza-mivavaka sy mifampivavaka. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny tsirairay ka tsy tokony hatao ny fifampitsikerana sy ny fifanakianana fa natao aza ireny mba hifamenoana ; ny lavorary dia tsy misy fa ny miezaka ho lavorary no azo atao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...