Ny teny hoe Komonio dia avy amin'ny teny grika hoe "communio" izay midika amin'ny teny frantsay "qui appartient à plusieur" izany hoe an'ny besinimaro, natao handraisana ny Vatan'i Kristy araka ny antso nataony hoe "Raiso ary hano" ; ny fandraisana azy dia maneho fiombonana lalina amin'Andriamanitra. Ny mety miova amin'ny firafitr'ny litorjia dia ny amin'ny Alakamisy Masina... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Fihobiana no handikàna ny "anamnèse" amin'ny teny frantsay ka mety hieritreritra isika hoe misy fihobiana firy zany amin'ny lamesa fa ity dia fihobiana an'i Jesoa nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra. Tsy rehefa hira miendrika fihobiana dia mety fa tokony ahitana foana ilay "Jesoa nijaly, maty, nitsangan-ko velona ary ho avy am-boninahitra... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
"Koa mihanta Aminao izahay, arotsahy ny Fanahinao Masina hanamasina ireto fanomezana ireto ho zary Vatana sy Ran'i Jesoa Kristy Tomponay" sady manao famantaran'ny hazofijaliana eo ambonin'ireo mofo sy divay havadika ho Vatana sy Ra ireo pretra mpitarika ; io vavaka io dia mety miova ny fomba filazana azy araka ny vavaka fisaorana na vavaka Eokaristika fa ny vontoatiny dia tsy miova... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco