Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Sakramenta ny Eokaristia. Io Eokaristia io no manambara an'i Kristy sy ny fiffanekeny nataony ho antsika olombelona ankehitriny. Ny Eokaristia no faratampon'ny fiainana ny sakramenta rehetra satria izy no mampiombona ny Kristiana rehetra amin'ny tolotr'i Kristy, "amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy" dia tonga mitoetra ao Aminy isika, mba hanajantsika ny Ray miaraka amin'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...