Tsy ny hanameloka olona no tanjontsika fa ny hahafantarana tsara ny zava-misy sy ny fampianaran'ny Fiangonana momba ny aina sy ny hasiny. Tsara no hanavahana ny fanalan-jaza tsy niniana (Avortement spontané) sy ny fanalan-jaza niniana (avortement provoqué) satria samihafa ny toe-javatra amin'ireo fa eo koa ny maha samy hafa ny zavatra niniana natao sy ny vokatra tsy nokendrena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Andriamanitra no loharanon'ny aina, sady fanomezana no antso no iraka ary fitahiana ny aina. Masina ny aina satria avy amin'Andriamanitra Mpamorona ; manana hasina miavaka ny olombelona satria navotan'i Kristy. Nasandratra ny maha-olona satria nantsoina ho zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Zavatra iombonantsika rehetra ny aina. Samy velona, samy nandalo tao an-kibon-dreny isika. Dingam-piainnana lalovana ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahamatorana. Maro ny zavatra mandindona ny aina toy ny aretina ary indray andro any dia samy hiatrika ny fahafatesana. Ny aina dia sarobidy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Hery vaovao ho an'ny Malagasy ny ezaka kely izay vitan'ireo izay tsara sitrapo, miezaka miaina ny didin'Andriamanitra sy manatanteraka izany, voafehin'ny didim-pitiavana. Zava-dehibe ny fanajana ny ray aman-dreny anefa tsy dia hita taratra izany ankehitriny na mba ampahany amin'ny karama voalohany, santa-bokatra ; ny filibana aza no hataon'ireo tanora. Tsapa fa tsy misy mpihevitra firy ny tamberin'andraikitra andrasana amin'ireo izay nomena andraikitra amin'ny sehatra samihafa ; tsy misy intsony ny fifanajana, indrindra ny fanajana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco