Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...

Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-19 mandavantaona — A — Mampatoky ny manatona an'i Jesoa Mpamonjy. Aleloia. Aleloia. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aleloia. Rehefa tsy mifanandrify amin'ny handrasantsika Andriamanitra dia manome tsiny azy anefa Andriamanitra miasa mangina ary azo hantenaina na eo aza ireo sedra sy fahasarotana hatrehan'izay mitady azy. Tsy ao anatin'ny tabataba ny handrenesana ny feon'ny Tompo fa ao anaty fahanginana, izay herin'ny fitiavana sy halemem-panahy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...