Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 19 jolay 2026 - Alahady faha-16 mandavantaona — A — Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Nahoana Andriamanitra no mamela ny ratsy hisy, raha tena mahery tokoa Izy nahoana mbola misy ny tsy rariny, nahoana no mbola misy ny zava-dratsy mampahory? Andriamanitra anefa dia tsy maika hanasazy fa maika hamonjy, ary mitsara amin'ny halemam-panahy izy. Ny olona tena mahery dia izay afaka mamela heloka ; ny famindram-po no tena porofo maha Andriamanitra an'Andriamanitra...

Tsy izay miantso hoe "Tompoko! Tompoko!" no hiditra any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra fa izay manao sitrapon'ny Ray sy izay miasa amin-kerim-po. Izao ilay sitrapon'ny Ray dia hifankatiavantsika samy isika, ary ny hahitantsika an'i Kristy eo amin'io namana akaikintsika io. Antsoina ho any amin'ny hasambarana sy fiatanana isika... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Md Joany 13, 35 : izao no hafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia. Ilay fiaraha-monina misy antsika io no hiainantsika ny fitiavana. Fiaraha-monina mirindra sy milamina. Hoy Papa Léon XIV : ny fitiavan'i Kristy dia miseho amin'ny fitiavana ny mahantra, izay hita amin'ny alalan'ny fikarakarana ny marary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...