05 aprily — Misionera niaina tamin'ny taona 1357 ka hatramin'ny 1418 i Masindahy Vincent Ferrier. Teraka tao Valence izy, ary mbola tany am-bohoka izy dia efa hitan-dreniny tamin'ny nofy sahady ny hoaviny ka nitebiteby fatratra.
04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.
03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco