15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.
Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.
Araka ny Konsily Vatikana-I dia rafitra lavorary miendrika an-tanan-tohatra ny Eglizy, ny Papa no filohany. Tsy mety diso izy raha mampianatra momba ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy rafitra fotsiny ny Eglizy fa misterim-piombonana ihany koa, miombona anatin'ny finoana, ny Sakramenta ary ny fitiavana, famantaram-pamonjena ho an'ny olona... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco