21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.

20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

19 marsa — Ny Joseph tsaroana anio dia ilay ray mpitaiza an'i Jesoa. Tsy dia voatonona firy ny anarany ao amin'ny Baiboly, ny Evanjelin'i Masindahy Lioka sy Matio no miresaka azy rehefa milaza ny momba an'i Jesoa. Ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Marka dia tsy milaza hoe Joseph fa hoe mpandrafitra.

18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...