Mba ho fandalàna ny rariny sy ny hitsiny dia tokony hikelezana aina fatratra ny hanafoanana araka izay azo atao ny tsy fitoviana ara-toe-karena manavakavaka ny samy olona eo amin'ny fiainam-piaraha-monina. Hisorohana ny fiainana tsy mari-pototra sy mitsingilahila dia takian'ny rariny sy ny hitsiny ny handaminana ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Arakaraka ny fitomboan'ny olombelona sy ny filany maro no tokony hiezahana hiezahana mafy ihany koa hampitomboana ny asa fivelomana, famokarana, fambolena ary ny taozava-baventy. Atao laharam-pahamehana ny hanasoa ny olombelona amin'ny maha-izy azy manontolo : ara-nofo, ara-tsaina, ara-panahy sy ara-pivavahana, tsy anavahana olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy maintsy hajaina sy tandrovina eo amin'ny fiainana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy ny fahamendrehan'ny olombelona. Nandritry ny taon-jato mifandimby dia ny fahazavan'ny Evanjely hatrany no nentin'ny Eglizy nampiseho ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny, na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny fiainam-piaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Adidin'ny tsirairay ny ady amin'ny kolikoly sy ny fidinana an-dalambe mety hanimba ny fiainam-pirenena. Rariny ny hamahana ny olana mianjady amin'ny vahoaka hialana amin'ny fifandirana ; tokony hirindra sy tsy hisy fifanoherana ny toro-marika avy any amin'ny foibe mimpaka aty ifotony. Ilaina ny fandinihan-tena, ny fifamelan-keloka, tsara raha samy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, singa iray ny fikaonan-doha handaminana izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco