Na manao ahoana na manoa ahoana ny endriky ny maha-tompon-javatra dia tsy tokony hihevitra na oviana na oviana ho tompony samirery ny olona amin'izay heveriny ho fananany ka hanasoavany ny tenany fotsiny fa tsy maintsy hanasoavany ny hafa ihany koa izany fananany izany. Zo ny hanana anjara fananana manokana fa ilaina ihany koa n fiahiana ny mahantra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 14 jona 2026 - Alahady Faha-11 mandavantaona — A : Ianareo no fanjaka-mpisorona ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy. Ny hoe "Honena" dia mitovy amin'ny hoe "Mangoraka"-"Mihetsipo lalina" izany hoe tsy fihetsepo tsotra fa tena vokatry ny fo, ary miatraika any anaty ka mitondra alahelo. Ny vokatry ny fihetsepo lalina dia ny famindrampo ; mpamindra fo sy fitiavana Andriamanitra. Ny vokatra voalaza ao amin'ny vakin-teny amin'ity alahady ity dia ireo olona rehetra mila an'Andriamanitra...
Olona manan-tsafidy ny olombelona mandrafitra ny famokaran-karena, ary nohariana mitovy endrika amin'Andriamanitra. Rehefa voadinika tsara avokoa ny mombamomba ny olona tsirairay sy ny asa manandrify azy dia irosoana ny asa araka izay fitsipika ifampifehezana sy takian'ny asa, mety hiditra amin'ny fandaminana ihany koa ny Fanjakàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Avy amin'ny olona no ipohiran'ny asa, ny talentany, ny fahaiza-manaony eo amin'ny famoronana, izany hoe izay volavolain'ny sainy sy ny eritreriny, tsy azo soloina na oviana na oviana. Ny asa ataon'ny olona no ahazoany mivelona, sy manao asa fitiava-namana hoy ny konsily, ary handraisany anjara amin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco