Matetika hita any amin'ny faritra na firenena tsy mandroso ara-toekarena loatra ny fisian'ny tany midadasika be tsy ampiasain'olona kanefa dia tokony ampiasaina hampitomboana harena. Mazàna dia olona vitsy mpikarama na mpanofa sombin-tany no mikarakara azy eo. Ireo miasa tena mifototra eny an-kianja anefa tsy mahazo karama ara-drariny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manampy amin'ny fivelaran'ny maha-olona hoy ny Eglizy ny fananan-javatra manokana ary ahazoany mampiasa ny andraikitra ao amin'ny tany ama-monina. Manan-jo ny olona hanana fananana manokana satria miantoka ny fizakan-tenany sy ny ankohonany izany, anefa tokony ho amin'ny antonony sy anaty fandanjalanjàna izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy adidy mavesatra tokony ho tsapan'ny mpampiasa na tompon'ny renivola na olon-tsotra na vondron'olona na fanjakàna dia : voalohany dia mitsinjo izay ilaina hananana fiainana mendrika, faharoa dia mitsinjo ny vodiandro ho merika ka mandanjalanja tsara ho fitsinjovana izay ilain'ny taranaka ho avy, fahatelo dia ny fitsinjovana manokana ireo faritany na firenena osa kokoa ara-toekarena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy ny didin'Andriamanitra miisa 10 ; ny didy fahaefatra dia manentana antsika hanajana ny ray aman-dreny mba hahelavelona, tsy hanavahana anefa izany na ray aman-dreny ara-nofo na ara-panahy. Eto Madagasikara anefa dia zary ankilabao ny ray aman-dreny ara-panahy, eo koa ireo ray aman-dreny ara-drazana. Manana adidy ny tsirairay araka ny toerana koa aoka samy hanao izany araka ny efa voafaritra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco