16 ôktôbra — I Edwige de Silésie dia teraka tao Andechs tao Bavière ny 1174. I Edwige no anarany fa ny tany Pologne no niantso azy hoe Jadwiga Śląska. Zanak'i Berthold III, comte tao Andechs sady duc tao Méranie izy. I Agnès de Wettin no anaran'ny renin'i Edwige.

15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.

14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.

13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...