04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.
03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.
02 nôvambra — Tsy andro fisaonana akory ny 02 nôvambra, fa natokana hivavahana ho an'ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry. Misy mantsy ny fanahin'izy ireo izay niala teto amin'ity tany ity, dia mbola mety tsy migoka ny hasambarana any an-danitra fa mety mbola any amin'ny afo fandiovana.
01 nôvambra — Taloha dia tao aorian'ny fetin'ny Paka na ny alahady manaraka ny Pantekôty ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina rehetra. Tamin'ny taonjato fahadimy dia ny zoman'ny Paka no nankalazana izany tany Syrie, fa ny tany Roma kosa tamin'io vanim-potoana io dia nomarihana tamin'ny alahady ao aorian'ny Pantekôty.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco